IZAY NO VITA
izay no vita ny tantara,
mifarana eto ny amintsika,
tsy misy intsony ve no ambara,
ity fihetsikao dia mangatsiaka!
izay no vita ny tantara
nefa atao ahoana moa
mba nisy koa anie ny tsara
tamin'ny fiainantsika roa!
Ny hany fanontaniana,mahalasa ny vinany
moa ve fanahiniana
ity fisarahana avy hatrany?
dia nahoana aho no nisy?
dia nahoana aho no nitia ?
dia ahoana ihany koa, raha tsy nisy isika roa,
nefa ...izay no vita ny tantara,
ny ratrako hibanabana,
tsy mahatanty aho dia tomany
hiezaka aho any afara
hanova jery ity tantara
hanova TRAKA ilay tomany
ho fahatsiarovana ihany.
(2000)
Ny Eja