ILAY DOMOINA
( filazalazana nataon’ny renin' i Ny Eja
mitantara ny andro nahaterahany
ary narindrany ho kanto izany )
tsaroako tsara, ilay andro izay
niandrasanay anao,
ilay vahiny kely
ho tonga ato aminay
fa efa tsindrin-daona ery ny mpianakavy
maika ny hihaona, rahoviana ianao no ho avy ?
fa nony vao maraina, iny niala avy any
domoina kely izay, nisidina ambany
dia niditra ato an-trano
ka nihoraka ny ankizy, « avia ange tazano »
ny nahagaga anay
indrindra tamin’izay
dia ity fahasahiany
misangy anay sy dada
ho toy ny olo-tiany
sy fantany ela be
ka ireo zokinao, finaritra ery
fa tiany koa ange !
fa afaka roa andro
teo ho eo angaha
tsy hita ilay domoina
domoina sahisahy
satria io andro io,
no tonga teto an-tany
ilay zanako malala
i Solonomenjanahary.
fa ny fahagagana, tsy mbola vvoavaliko
sy mbola misitery, eny hatramin’izao
dia io domoina io, indrindra sombinaiko
namaritra ilay toetra sy fombafombanao !
faly lalandava, ary be fitiavana
tia hantahanta, tsy manadino havana
ka asa re ry aiko
izay anton’izany
ny zavatra antenaiko
indrindra eto an-tany
Dia ny « haharetanao »
tsy hamela hangatsiaka
ilay teny malagasy
izay reharehantsika
satria ny talenta, izay voizinao
dia tena hafakely, ka tiavo sy hajao
tsy tongatonga foana
ary tsy zava-poana.
Hoy i mama
RAKOTO RANARISON Agnes
2000
Ny Eja