SAKAIZAKO TSY FOIKO
Eny, iriko sady inoako
R’ilay sakaizako tsy foiko
Ny ahita maso anao
Na dia tsy ho izao dia izao
Ka ireo tononkalo vita
nalefako ato anaty "site"
no ho solotenako any
ho nofisinao hatrany
anaty sahan’ny vinany
ary hotehiriziko mangina
ilay kantonao feno hamamiana
Izay ao anatiko ao ihany
No efa nahavitako akany.
(2002)
Ny Eja