AO ANATY MASONAO
Ao anaty masonao
Izay atopinao tsy miafina
Ao anaty masonao
sahisahy tsy mba miavona
Moa ilay fijerinao
Afaka miriaria
Manombatombana ery
Mba mety mahalaza ihany,
Izay mba tiany hotenenina
Sa hitahiry anaty hatrany
Ilay misitery izay afenina ?
Sa ny maso koa miteny
Sy maniry raha ny marina
ka mampita samirery
hafatra, saro-patarina ?
mety ho marina ny anao
mety ho diso ihany koa
saingy ireo aloha dia tao
an-dobo kely anakiroa
(2002)
Ny Eja