Le portail de l'île continent Jeudi, 09 Septembre 2010 (St Omer) 
Accueil | Annuaire de sites | Annuaire Professionnel | Agenda culturel | Shopping | Petites annonces | Forum de discussions
Recherche site Web
 
 ET  OU        
Citation du jour
Il y a plus de courage que de talent dans la plupart des réussites.
[Félix Leclerc]
Articles
Amour & Amitié (0)
Cinéma (0)
Corruption (0)
Economie (1)
Humour (0)
Informatique (1)
Insolite (0)
Musique (0)
Politique (0)
Social (0)
Sport (0)
Voyage (0)

Ecrire une article
Sites les plus visités
•RadioMada - Le Coeur...
•Ministère de la Sant...
•Association TERA
•Orange Madagascar
•Institut Pasteur de ...
Derniers Sites inscrits
Pas de nouveaux inscrits
 POESIE PAR Ny Eja

Anarana:
Solonomenjanahary
Fanampin'anarana:
Eugénie
Anarana maha-artista:
Ny Eja

Adiresy mailaka:
nyeja@madagascarsurlenet.com

 

IANAO

Tena tsara loatra ianao,

ka tsy sahiko jerena

nefa anie ity masonao;

Mibika ahy, tsy hay fefena!

Eny, tsara ho aho ianao

Ka tamin’izay, tsy mba ninoako

Izaho izay tsotra kely itony

mety hababo koa ny fony ?

Dia natopinao indray

nandinika ahy ilay fijery,

Izaho miafy sy manahy

Menamenatra irery.

dia narahinao tsiky,

avy ao anaty, tsara loko

ka toy ny henonao iky,

ilay dobodoboky ny foko

Dia niarahaba ahy ianao

feno fanajana fatratra

izaho nandray ny tànanao

vahobahotra sy niambatra!.

dia toy izay ilay nihaonantsika!,

tany Etazonia tany.

Ankehitriny, ianao tsy hita,

An-tanindrazanao any!.

Ireo taratasy niampita

nifanoratantsika roa,

no hany sisa manambara

fa nahafinaritra sy tsara,

tiana hitohy ny fiarahana.

Nefa atao ahoana moa,

semban’ilay fisarahana.

(2000)

Ny Eja

1 | 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 | 17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 | 24 | 25 | 26 | 27 |

- Mpikambana ao amin'ny HAVATSA UPEM
- Nianatra teny anjerimanontolo (sampana lalàna)
- Mandalina ny fiteny malagasy sy ny riba
- Mpikambana Mpianadahy Mianala (Mpitantsoratra)
- Mpikambana ao amin'ny FIMPAMAMA
- Nanoratra ny boky momba ny angano "Eclipse" teto Madagasikara ( Ilay manjira tany gasikara )
- Nanoratra tonon-kira an'i Tovo J'hay, Bodo, Joy K

 

Accès Membres
Nom d'utilisateur

Mot de passe



Vous avez perdu 
votre mot de passe?


Inscrivez-vous ici

Pourquoi s'inscrire?
Pratiques
Avions
Cours de change
Horoscope
Météo
Petites annonces
Taxi
Communautés
Messagerie interne
eCards
Tchatche
Forums
Webmail
Site perso
Divertissements
Blagues
Jeux en ligne
Poésie par Ny Eja
 

©2002-2010 Madagascar sur le net - Mentions légales