HAY MOA
Ireny sangintsika ireny
tena sarotra fantarina
Hay moa tsy izaho irery
No lasam-borona amin’ny alina ?
Ny hanihany izay fanao
Saika isaky ny mihaona
Hay moa izaho sy ianao
Samy efa tsindrin-daona ?
Miandry mafy izay fotoana
Hitokanana milamina
Azahoana mba mihaona
Ifamborahana izay marina.
Dia niova ny hanihany
Fa nanjary teny mamy
Ny sisa heno raha avy mihaona
« Rahoviana ny fotoana ? »
(2002)
Ny Eja