IZA IANAO
Iza ianao ry ilay mpandalo ?
ilay niserana dia lasa!
fa ilay foko anie nikalo
mbola babo ka mikasa
ny ahita anao indray
hiantrano ato aminay!
.
Ka ny fisainako rehetra
Dia lasana nitoetra
Tsy manaiky ny hifandao
Fa nanaraka anao.
tia anao aho ka dia zatra,
ankehitriny anie aho maratra
fa minia tsy te hahalala;
mirediredy toy ny adala.
(1999)
Ny Eja