SATRIA MANTSY TIAKO IANAO!
raha manina ahy hono ianao
ka lasalasa ny fisainana
ilay teny mamiko iainana
ilay teny kely hoe "tiako ianao"
dia raha misy any ho any
hafa koa milaza izany
izaho anie ka tsy manahy
fa tsy mitovy velively
izay ho fatran'ny fitia
mety atolony sy ny ahy
fa na dia ny feonao
ny angolateninao
soritr' endrikao etsetra ...
sy ny momba anao rehetra
efa voateny sy voatetin'ny fitiavako daholo
fa latsa-damba aminao aho!!
dia ambarako ihany koa
na ho ratsy na ho soa
fa n'inon'inona hiseho
aza manahy f'izaho ho eo
anilanao lalandava
ny fisainako sy foko
ka na sento na toloko
no mety mahakivy anao
hositraniko ho hitanao
(Déc 2003)
Ny Eja