EMBONA AN'I DADA
Dia manembona ny lasa
sy misento ka tomany
ny hanoratako mikasa
fahatsiarovana ihany.
Satria tsingerina androany?
Efa-taona lasa izay;
No nandaozanao ny tany;
O ry dada maminay..
Endrey mba niezaka ianao;
Ho modely nandrandraina
ary tamin’izay natao:
Dia "mba ho soa ny sombiniaina"
Ka na nisy aza ry dada...
Ny mafy nosedrainay;
Dia nijoro lalandava,
Fa tsara taizanao ‘zahay !
Ka ho fiononana mahery,
Hanamboaranay ny saina,
Ireny anatrao ireny:
Tsy mba nisy very maina !
ilay Ray ‘zay ambony ao,
No hitalahoako hatrany,
Hitrotro ilay fanahinao,
Nanao soa tety an-tany.
(1999)
Ny Eja